Omeo ireo izay manan-jo hahazo ny anjara tsy maintsy atao, ary izay sisa dia ho an'ny havana akaiky indrindra

Omeo ireo izay manan-jo hahazo ny anjara tsy maintsy atao, ary izay sisa dia ho an'ny havana akaiky indrindra

Tatitra azo avy tamin'i Ibno Abbasi (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Omeo ireo izay manan-jo hahazo ny anjara tsy maintsy atao, ary izay sisa dia ho an'ny havana akaiky indrindra."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia mandidy ireo tompon'andraikitra amin'ny fizarana ny fananana mba hizara izany amin'ny mpandova ara-drariny sy ara-dalàna, araka ny sitrapon'Allah Tsitoha. Ireo mpandova manana anjara raikitra dia omena ny anjarany araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'Allah, izay roa ampahatelony, ampahatelony, ampahenin'ny, antsasany, ampahefany ary ampahavalony. Izay sisa tavela aorian'izany dia omena ny havana akaiky indrindra ny maty, ary izy ireo dia antsoina hoe Aswaba.

فوائد الحديث

Fitsipika momba ny fizarana lova ity hadith ity.

Ny fizarana ny anjara lova dia manomboka amin'ireo manan-jo hahazo anjara lova.

Izay sisa tavela rehefa avy nozaraina ny petra-bola dia lasan'ny havana akaiky.

Ny havana akaiky indrindra no lohalaharana, ka ny aswaba lavitra toy ny dadatoa dia tsy mandova raha misy aswaba akaiky toy ny ray.

Tsy mahazo na inona na inona ny mpandova aswaba raha toa ka lanin'ny anjara voafaritra ny fananana manontolo, midika izany fa tsy misy tavela amin'izany.

التصنيفات

Ny Ligy