إعدادات العرض
Alaviro lavitra no sady hialao ity fahalotoana izay noraran'i Tompo Allah ity. Ka izay manao izany, dia aoka Izy hanafina ny tenany amin'ny fiafenan'i Tompo Allah ary hibebaka amin'i Tompo Allah, fa na iza na iza manambara ny fahotany Aminay, dia ho tanterahiko Aminy izay voasoratran'i Tompo Allah,…
Alaviro lavitra no sady hialao ity fahalotoana izay noraran'i Tompo Allah ity. Ka izay manao izany, dia aoka Izy hanafina ny tenany amin'ny fiafenan'i Tompo Allah ary hibebaka amin'i Tompo Allah, fa na iza na iza manambara ny fahotany Aminay, dia ho tanterahiko Aminy izay voasoratran'i Tompo Allah, ilay avo Tsitoha
Tatitra azo avy amin'i Abdillahi Ibn Omar (R.A), dia nitsangana ny Irakan'i Tompo Allah rehefa avy nitora-bato an'i Rangahy Al-Aslami ary Niteny hoe : " Alaviro lavitra no sady hialao ity fahalotoana izay noraran'i Tompo Allah ity. Ka izay manao izany, dia aoka Izy hanafina ny tenany amin'ny fiafenan'i Tompo Allah ary hibebaka amin'i Tompo Allah, fa na iza na iza manambara ny fahotany Aminay, dia ho tanterahiko Aminy izay voasoratran'i Tompo Allah, ilay avo Tsitoha."
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Русский हिन्दी 中文 ئۇيغۇرچە Bahasa Indonesia اردو Kurdî Tiếng Việt Nederlands Kiswahili অসমীয়া ગુજરાતી සිංහල Magyar ქართული Hausa Română ไทย Português Tagalog मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ বাংলা پښتو ភាសាខ្មែរ Español ಕನ್ನಡ Lietuvių Македонски Türkçe తెలుగు O‘zbek Українська Azərbaycan Moore Wolof Kinyarwanda Čeština Српски Shqip тоҷикӣ Кыргызча தமிழ் ms नेपाली മലയാളം Deutsch kmrالشرح
Nitatitra i Ibn Omar (R.A) fa nitsangana i Mpaminany rehefa avy nitora-bato an'i Rangahy Ma'iz ibn Malik al-Aslami ho faty noho ny fijangajangana izay nataony, ary niteny tamin'ny vahoaka Izy ka nanao hoe : Halavironareo lavitra ity fahalotoana ity sy ireo fahotana maharikoriko sy ratsy izay noraran’i Tompo Allah. Izay manao ny iray amin'ireo fahotana ireo dia tsy maintsy aminy ny zavatra roa : Voalohany dia : Tokony hiafina amin’izay nanafenan’i Tompo Allah azy Izy fa tsy hanambara ny fahotany. Faha-roa : Tokony hibebaka haingana amin’i Tompo Allah Izy fa tsy hiziriziry amin’izany. Raha miharihary amintsika ny fahotan’ny olona iray, dia hampiharintsika aminy ihany koa ny sazy izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Tompo Allah Ilay Avo Tsitoha noho izany fahotana izany.فوائد الحديث
Mamporisika ny mpanompo mpanota ny mba hanafina ny fahotany sy ny mba hibebaka amin’izany eo amin’ny tenany sy ny Tompony.
Raha tonga eo amin'ny mpitondra ny raharaha, dia tsy maintsy ampiharina ny didy sy ny fetra.
Voadidy ny fialana amin’ny fahotana sy ny tokony hibebaka amin’izany.
التصنيفات
Ny fibebahana